^Back To Top

Verset du jour | Ephésiens 4:29 | "Qu'il ne sorte de votre bouche aucune parole mauvaise, mais, s'il y a lieu, quelque bonne parole, qui serve à l'édification et communique une grâce à ceux qui l'entendent." | Ephésiens 4:29 | Verset du jour


Eglise F.J.K.M. Montrouge Paris (SP37) - Au Temple de l'Eglise Protestante Unie (EPU) - 64, rue Maurice Arnoux 92120 Montrouge

Accès par :   Métro4 Terminus Montrouge   /   Bus 68 Place Jean Jaurès   /   Périphérique Porte de Chatillon   /   G.P.S. : fjkm montrouge [ lancer GPS ]


CULTES SEPTEMBRE 2020

"MIASA AMIN'NY FAHATAHORANA AN'ANDRIAMANITRA"

  • Dimanche 06 Sept.
          Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo
     
  • Dimanche 13 Sept.
          Alahadin'ny AFF FJKM
     
  • Dimanche 20 Sept.
          Tarihin'ny VFL,
          Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo
     
  • Dimanche 27 Sept.
          Alahadin'ny FFP Fjkm,
          Akatoky ny Fandraisana
     
Misy fidirana indroa amin'ireo fotoampivavahana ireo
- Fidirana voalohany amin'ny 14h
- Fidirana faharoa      amin'ny 16h
 
Toerana  Fiangonana FJKM Montrouge 
   ao ami'ny 64 rue Maurice Arnoux 92120 MONTROUGE
toy ny mahazatra ihany
 
Tsy maintsy misoratra anarana ao amin'ny adiresy mail ny Fiangonana, alohan'ny fahatongavana, araka ny  fepetra mbola tsy maintsy arahina amin'izao fotoana izao:
bureau@fjkm-montrouge.fr
 
Ny voninahitra ho an'Andriamanitra irery
Pastera Rafalinirina Lalao Angèle 
TOROMARIKA 📌 COVID-19

Ho an'ireo misoratra anarana dia angatahana hiomana amin'ny fepetra mikasika ny fihaonana ampahibemaso izay efa fantatsika rahateo amin’ny hoe « gestes barrières ». Indro averina eto ambany izy ireny ho fampahatsiahivana :

  • manasa tànana amin'ny 'solution hydroalcoolique' alohan'ny fotoana ary averimberina araka izay ilàna azy,
     
  • manaja hatrany ny elanelana 1 metatra isan'olona (afa-tsy ny iray ankohonana) ary manao fiarovana "masque" na "cache-bouche" ny tsirairay mandritra ny fotoana, miaro ny vava raha sendra mikohaka na mievona,
     
  • mitandrina ny ankizy tsy hivezivezy (miampofo ny zaza latsaky ny 5 taona), miezaka miala amin'ny fifampikasohana sy ny fifandraisan-tànana fa kopa-tànana no atao,
     
  • mihaino tsara sy manaja ny torolàlan'ny Mpitarika momba ny fanatanterahana ny rakitra sy ny Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo (arahina elanelana hatrany).

Dia matoky ny fiaraha-mientantsika rehetra eo anatrehan’izany ho voninahitry ny Tompontsika.

PERIKOPA

Septambra: Miasà amin'ny fatahorana an'Andriamanitra

| | 06. Ala.XIII man. Trinite
Hagay2.1-9 / Lio12.16-21 / 1Kor 3.10-15

| | 13. Ala.XIV man. Trinite -Sampana AFF
Gen 42.18-21 / Mat 21.23-32 / Fil 2.12-18

| | 20. Ala.XV man .Trinite
Eks 18.17-23 / Mat 18.21-35 / Tit 1.5-9

| | 27. Ala. XVI man.Trinite- Sampanasa FFP
Mpito 8.9-13 / Mar 12.1-12 / 1 Tim 1.5-11

EDITO

Ny FJKM Montrouge Paris dia faly miarahaba sy manonona ny Fiadanan’ny Tompo ho anao  sy ny ankohonanao mitsidika ity tranokalam-pifandraisana ity izay hanambarany ny asa vavolombelona anirahan’ny Jesoa Kristy  ny Fiangonany.
 
Isaky ny ALAHADY amin’ny 15h 30 ny fanompoam-pivavahana, ary Alahady voalohany sy faha telo no Fandraisana Fanasan’ny Tompo.
 
Manasa anao izahay, hiara- mivavaka sy hanome voninahitra an’Andriamanitra isika ;
 
Ny adiresy :  EPU de Montrouge  64 Maurice Arnoux  Montrouge 92120 

 «Fa mpiara miasa amin’Andriamanitra izahay ; ary sahan’Andriamanitra sy trano arafitr’Andriamanitra hianareo»
(I Kor 3.9)

Manao veloma amin’ny anaran’ny Tompo izahay!

FISORATANA ANARANA



Iangaviana mba hanome anarana sy isa amin'ny rohy eto ambany 

izay rehetra hanatrika ny fanompoam-pivavahana.

Amin'ny alahady 20 septambra 2020 izao dia in-droa

ny fidirana ao Montrouge ry havana, amin'ny 14h sy 16h,

ny tsanganana (colonne) ilaina ihany no fenoina.

 Inscription

Misaotra sy mankasitraka anareo indrindra. 

 

ⓘ COMMUNIQUE

Fampahafantarana mikasika ny fanompoam-pivavahana manaraka

Ry havana,

Manonona ny fiadanan’ny Tompo ho aminareo rehetra.

Mba ahafahantsika rehetra mifampitsimbina amin'ny fotoana ihaonana rehetra, dia iangaviana mba samy hisoratra anarana  ary hiomana amin'ny fepetra mikasika ny fihaonana ampahibemaso ("gestes barrières") izay efa fantatsika.

Dia manao veloma anareo amin'ny anaran'ny Tompo izahay. 

Ny Biraom-piangonana FJKM Montrouge Paris.

 Cette année 2019 le STKM a eu 20 ans !

LE PROJET RÉALISÉ :

PREDICATION / TORITENY

ECOUTER... Prédication du Pasteur Ammi Irako Andriamahazosoa (Président de la FJKM)

lors de la célébration du 10ème anniversaire de la FJKM SP37 - 28 septembre 2019

ÉVÈNEMENTS RÉCENTS
Fandraisan-tanana ny Mpitandrina Rafalinirina Lalao Angèle - 29 Febroary 2020

>>> Voir les photos
©FJKM Montrouge Paris 1985 - 2020.