^Back To Top
Fanekem-pinoana voalohany - Symbole des Apôtres

Mino an' Andriamanitra Ray Tsitoha
Mpanao ny lanitra sy ny tany aho.
Ary mino an' i Jesoa Kristy Zananilahy
Tokana Tompontsika,
Izay notorontoronina tamin'ny Fanahy Masina,
Naterak' I Maria Virjina,
Nijaly raha nanapaka Pontio Pilato,
Nohomboana tamin'ny hazo fijaliana,
Maty ka nalevina,
Nidina tany amin'ny fiainan-tsy hita,
Nitsangana tamin'ny maty
Tamin'ny andro fahatelo,
Niakatra ho any an-danitra,
Mipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra
Ray Tsitoha, avy any no hiaviny
Hitsara ny velona sy ny maty.
Mino ny Fanahy Masina aho,
Ny Fiangonana Masina manerana izao tontolo
izao, ny fiombonan'ny olona masina,
Ny famelan-keloka,
Ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty,
Ary ny fiainana mandrakizay. Amena.
 


Je crois en Dieu, le Père tout-puissant,
Créateur du ciel et de la terre.
Je crois en Jésus-Christ, son Fils unique,
Notre Seigneur,
Qui a été conçu du Saint-Esprit et
Qui est né de la Vierge Marie.
Il a souffert sous Ponce Pilate,
Il a été crucifié,
Il est mort, Il a été enseveli,
Il est descendu aux enfers.
Le troisième jour,
Il est ressuscité des morts;
Il est monté au ciel;
Il siège à la droite de Dieu.
Il viendra de là
Pour juger les vivants et les morts.
Je crois en l' Esprit-Saint.
Je crois la Sainte Eglise universelle,
La communion des saints,
La rémission des péchés,
La résurrection de la chair
Et la vie éternelle. Amen.

Fanekem-pinoana faharoa - Confession de Foi (n°2)



Isika mino an’ Andriamanitra Iray, Ray Tsitoha, Mpanao ny lanitra sy ny tany, ary ny zavatra rehetra na hita na tsy hita. Ary an’ i Jesoa Kristy Tompo Iray, Zananilahy Tokan’Andriamanitra, nateraky ny Rainy talohan’ izao rehetra izao, ny Mazava avy amin’ny Mazava. Andriamanitra tokoa avy amin’Andriamanitra, nateraka fa tsy natao, miray amin’ny Ray ny zavatra rehetra: Izy no nahariana izao tontolo izao. Noho ny amintsika olombelona sady ho famonjena antsika dia nidina avy tany an-danitra Izy, ary nataon’ny Fanahy Masina nofo avy tamin’ i Maria Virijiny, dia tonga olona Izy. Nohomboana teo amin’ny hazo fijaliana ho fanavotana antsika tamin’ny nanapahan’ i Pontio Pilato Izy. Nijaly Izy ka nalevina. Nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo araka izay voasoratra Izy. Niakatra ho any an-danitra Izy, ary mipetraka eo an-tanana ankavanan’ny Ray. Avy any no hiaviany, indray amin’ny voninahitra hitsara ny velona sy ny maty, ary mandrakizay ny fanjakany.
Isika mino ny Fanahy Masina, Tompo sady mpanome aina, Izay avy amin’ny Ray sy ny Zanaka ka itsaohana sy ankalazaina miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka. Izy dia niteny tamin’ny vavan’ny mpaminany.
Isika mino ny Fiangonana iray, miorina amin’ny fanambaran’ny Apostoly ary manerana izao tontolo izao.
Isika manaiky ny batisa iray ho famelan-keloka sady manantena ny fitsanganan’ny maty ary ny fiainana mandrakizay. Amena.

 
Fanekem-pinoana fahatelo - Confession de Foi (n°3)
Mino an'Andriamanitra Tsitoha aho,​ Izay Mpanao ny lanitra sy ny tany.​ Andriamanitra dia Fanahy.​ Andriamanitra dia Fitiavana.​ Andriamanitra dia manjaka hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.​ Andriamanitra dia mampiseho ny Fitiavany antsika.​ Fa fony mbola mpanota isika dia maty hamonjy antsika i Kristy.​ Mino an'i Jesoa Kristy Zanany Lahy Tokana, Tompontsika aho.
Tonga Izy hitady sy hamonjy ny very.​ Izy no Làlana sy Fahamarinana ary Fiainana.​ Izy dia tsy miova omaly sy anio ary ho mandrakizay.​ Mino ny Fanahy Masina aho.​ Izy no nanambara amin’ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika. ​ Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika ho tena iray. ​ Ny fandresena izay enti-mandresy izao tontolo izao dia ny finoantsika.​
Tompo ô, ampitomboy ny finoanay. Amena.
Je crois en Dieu, le Père tout-puissant,​ Créateur du ciel et de la terre. ​ Dieu est Esprit, ​ Dieu est Amour, ​ Dieu a vécu depuis toujours et vivra pour toujours​ Dieu nous a manifesté son amour​ ​ Nous étions alors pécheurs, et Christ est mort pour sauver, ​ Je crois en Jésus-Christ Son fils unique​ Notre Seigneur.
Il est venu chercher et sauver ceux qui étaient perdus.​ Il est le Chemin, la Vérité et la Vie​ Jésus-Christ est le même hier, aujourd’hui, et éternellement.​ Je crois en l’Esprit-Saint​ Qui nous proclame fils de Dieu​ ​ Nous avons tous été baptisés dans un seul Esprit pour former un seul corps​ La victoire qui triomphe du monde, c’est notre foi.​
Seigneur, augmente notre foi. ​ Amen.
Fanekem-pinoana fahaefatra - Confession de Foi (n°4)
Mananbara ny finoantsika an’ i Jesoa Kristy isika,
dia araka ny tenin’ i Jaona Mpanao Batisa hoe : “ Indro ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao”

sy araka ny teny natoan’ i Andrea hoe : “Efa nahita ny Mesia izahay”

sy araka ny teny nataon’ny Samaritana hoe : “Ny tenanay no nadre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao”

sy araka ny teny nataon’ i Petera hoe :
“Ianao no Kristy Zanak’ Andriamanitra velona”.
“Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay”.

ary araka ny teny nataon’ i Tomasy hoe : “Tompoko sy Andriamanitro”.
Amena.
©FJKM Montrouge Paris Fiorenana SP37 1985 - 2025.