Mino an'Andriamanitra Tsitoha aho, Izay Mpanao ny lanitra sy ny tany. Andriamanitra dia Fanahy. Andriamanitra dia Fitiavana. Andriamanitra dia manjaka hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Andriamanitra dia mampiseho ny Fitiavany antsika. Fa fony mbola mpanota isika dia maty hamonjy antsika i Kristy. Mino an'i Jesoa Kristy Zanany Lahy Tokana, Tompontsika aho. Tonga Izy hitady sy hamonjy ny very. Izy no Làlana sy Fahamarinana ary Fiainana. Izy dia tsy miova omaly sy anio ary ho mandrakizay. Mino ny Fanahy Masina aho. Izy no nanambara amin’ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika. Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika ho tena iray. Ny fandresena izay enti-mandresy izao tontolo izao dia ny finoantsika. Tompo ô, ampitomboy ny finoanay. Amena.
|
Je crois en Dieu, le Père tout-puissant, Créateur du ciel et de la terre. Dieu est Esprit, Dieu est Amour, Dieu a vécu depuis toujours et vivra pour toujours Dieu nous a manifesté son amour Nous étions alors pécheurs, et Christ est mort pour sauver, Je crois en Jésus-Christ Son fils unique Notre Seigneur. Il est venu chercher et sauver ceux qui étaient perdus. Il est le Chemin, la Vérité et la Vie Jésus-Christ est le même hier, aujourd’hui, et éternellement. Je crois en l’Esprit-Saint Qui nous proclame fils de Dieu Nous avons tous été baptisés dans un seul Esprit pour former un seul corps La victoire qui triomphe du monde, c’est notre foi. Seigneur, augmente notre foi. Amen.
|