En direct
Eglise F.J.K.M. Montrouge Paris Fiorenana (SP37)
Au Temple de
l'Eglise Protestante Unie (EPU)
64, rue Maurice Arnoux 92120 Montrouge [lancer GPS]
Ry Mpamonjy olom-bery
Sarobidy sy mahery
Ny fitiavanao ahy
‘Zay mambabo ny fanahy
Noho ilay fitiavanao
Babonao ny foko izao
Tsy hamoizako Anao.
Ny fitiavanao, ry Tompo
No mambabo ahy hanompo
Tia ahy Hianao
Ka mba tiako tsotra izao
Eny, fantatrao fa tiako
Izao fiainana eto izao
Tiako izao rehetra izao
Nefa mbola tiako Hianao.
Na dia sarotra sy mafy
Ny hanaraka Anao
Izaho vonona hihafy
F’efa tiako Hianao
‘Zao fiainana izao
Tsy atakaloko Anao
Na dia mamiko aza eto
Mbola tiako Hianao.
Isan’andininy :
Ry tanora ô ! avia !
Mitsangàna, mitoria
Ambarao ‘lay famonjena
ka sahia
Avia, avia, torio Kristy.
1 Fa vory amintsika izao ny hery
Ka mendrika hanaovan-tsoa
Meteza ka ampio ‘reo
mbola very
Ho mpino toa antsika koa.
2 Anio miandry antsika
ny tontolo
Hitondra hazavana soa
Isika izay voataiza
sy voakolo
No indro irahan’i Jesoa.
3 Ny herin’ny fanahy
no momba antsika
Hahatomombana ny dia
Andeha amin’ny endrika
sariaka
No hitoriana an’i Kristy.
Tsy ho toy izao,
ity mpanomponao
Raha toa tsy tao tokoa
ny fahasoavanao
‘Zay nanohana
‘lay hery kely
tao am-poko
Nahazoako mba nanao
asam-panompoako.
Isan’andininy :
Indro fa havaoziko,
ry Jesoa
‘Lay voady
miorin’ao am-po
Ny andro ivelomako
‘Zay omenao iainako
Dia atokako sy mbola
hitoriako
Ilay fitiavanao !
Ny asa izay
nataon’i Jesoa
Dia tsapako ao am-po
Fa tsy dia toy inona
sy bitika tokoa
Nefa na izany aza
dia inoako koa
Fa ‘zay kely vitako :
hitera-bokatsoa.
Na ho lava na ho fohy
ny androko ety
‘Zaho dia irakao,
ry Jesoa Tompo be fitia
Ka ilay fitiavanao
miorim-paka anaty
Ho hany herim-pitokiana
mandra-maty.
1 Mandrosoa hatrany
Aza kivy foana
Zava-tsoa tsy lany ao anaty
Ny finoana.
Isan’andininy:
‘Reto no miray (indray)
Hery lehibe tokoa
(tokoa)
Dia ny finoana
Ny fanantenana
Ny fitiavana.
2 Tano tsy ho very
Ny fanantenana
Fa mitondra hery
Eny an-dàlana ombana.
3 Aina vaovao
Herin’ny fanahy
Ny fitiavanao
Ka tanako tokoa ho ahy.