En direct
Eglise F.J.K.M. Montrouge Paris Fiorenana (SP37)
Au Temple de
l'Eglise Protestante Unie (EPU)
64, rue Maurice Arnoux 92120 Montrouge [lancer GPS]
1 Mitsangana ianao ry mino,
Fa ilain’ny taninao ;
Ny finoana ifikiro,
mionona ianao ;
Ny ady atrehanao tsy mora,
Tena sarotra tokoa ;
Nefa toy ‘lay tao Edoma,
‘Lay Mahery momba anao.
Isan’andininy:
Mbola ho avy ny maraina
‘Zay mitondra hery vao
Ry mpiambina miarena
Ka ingao ny zovinao ;
Ambarao fa ny haizina
indro efa lasa re,
Efa tonga ny maraina
hisy hazavana be.
2 Raha sendra ady mafy,
Mila handreraka ny fo ;
Dia tsarovy fa mihafy
vao hahita soa ;
Raha tafita ianao,
hisy hazavana be ;
Ny aizim-kitroka ho lao
Tapi-dalana haleha.
3 Fahafahana doria
No omen’ny Tompo tia ;
Raha tahiana ianao,
Ho fanilo mandra-maty,
Ho mpitantana ny dia ;
‘Lay finoana ao anaty
Homba anao doria doria.
1 He ! manolotena ho Anao
Fa mandre ny feo sy antsonao
‘Zato tenako izay mpania
Ka raiso Tompo,
raiso ry Jesoa tia.
Isan’andininy :
Hanoa ny sitrakao,
Hanao izay tianao,
Ka ho mpanompo
vonona sy sahy koa ;
Hitory hatrany
‘lay fitiavanao,
Ambaram-pialam-
pofonaiko Jesoa.
2 Eny Tompo
tsy mba mendrika aho,
Feno loto ny ao am-poko ao,
Nefa re ‘lay fitiavanao
No inoako handany ahy
ho mpanomponao.
3 Eo anilanao no fifaliako
Ho Anao mandrakizay
no tiako
Ny ho vavolombelonao
Jesoa
No mamiko sy tena
iriko tokoa.
4 Fantatro fa sarotra ny diako
Marobe ny zavatra ho
setraiko ;
Nefa raha Ianao no momba
ahy,
Dia tsy hanan-tahotra ny fo
sy fanahy.
1 Jesoa vato fehizoro,
Afa-tahotra ny fo
Raha Ianao no mampijoro,
Sy iankinana tokoa ;
Vato fiorenanay
Jesoa Zanaky ny Avo,
Vato fialofanay
Amin-dratsy te handavo.
Isan’andininy :
Vato azo itokiana
Sady tsy mba mivena
Afaka ny fahoriana
Raha Ianao no ekena
Jeso Tompo (irery)
No ilay vato tsy mifindra
Jeso Tompo (irery)
No ‘lay fehizoro indrindra.
2 Jesoa vato fehizoro
Mampisinda ahiahy,
Fa mandresy horohoro
Manatanjaka fanahy.
O ! ry vato tsara paika
‘Zay mandray Anao am-po
Dia mijoro tsy miraika
N’inon’inona manjo.
1 Ry Fanahy ô ! midina
Manatreha anay anio Ianao
Mba hanoloranay
ny vavakay mangina,
Vetsovetsom-po
‘zay atolotray ;
Vola sy harena
samy tsy anananay,
Fa indro vavaka mangina
Fanoloran-tena
ho Anao tokoa.
2 Ry Fanahy ô ! monena
Aza mba mandao anay Ianao,
Kolokoloy izahay
hitombo fahendrena,
Ka tsy hahafoy
hiaraka aminao ;
Ota sy rendrarendra
Samy te handavo anay
Soa ihany, soa fa eo
Ianao Fanahy,
Vonona hitahy ny fiainanay.
3 Ry Fanahy ô ! meteza
Mba handray anay
ho mpianatrao ;
Avia Ianao,
avia mampahereza,
Hahatonga anay
mba ho irakao ;
Eso sy fitsapana
Samy manakivy anay,
Ka taomy, taomy
hanam-po mafana,
Herim-po vaovao
hiasa ho Anao.
1 Hoy Jesosy Tompo
‘Zaho no fananganana
Fananganana ny maty
sy fiainana
‘Zay rehetra mino ahy
na dia maty aza
Dia ho velona indray (in-3)
Satria velona aho,
ho velona ianareo
Aza matahotra fa
(ho velon‘indray) (in-3)
2 Maharavo fo ny taniny
henoy indray koa
‘Zay rehera velona
ka mino Ahy tokoa
Dia tsy ho faty mandrakizay
hatsangako
Ka ho velona indray (in-3)
Satria velona aho,
ho velona ianareo
Aza matahotra fa
(ho velon’indray) (in-3)
3 O ! Jesosy Tompo
indro re ampitomboy
Ny finoako Anao,
ny herinao asehoy
Tompo iantrao ny foko
‘Ty finoako vonoy
Mba ho velona indray (in-3)
Mino Anao tokoa
ny foko Jesosiko
Feno toky aho, fa
(ho velon’indray) (in-3)
1 Ny teninao Jehovah
Ray mahery
Izay nomenao anay,
Dia teny tsara
sady mampahery,
Ka mampifaly ny fonay.
Isan’andininy :
Ny teninao mofon’aina
sakafo tokoa,
Ny teninao ranon’aina
satria foto-tsoa,
Ny teninao no teny
tsy mba maty
Maharitra mandrakizay.
2 Soraty re ho velona ao anaty
Hitondra aina vaovao
Hitana ny finoana tsy ho faty
Ka hankatoa ny didinao.
1 Tsy hainay ny hangina
Ka tsy hankalaza ny Avo
Nameno fitahiana
Ka tsy mba namela ho lavo.
Isan’andininy:
Ka dera ry Ray, sy saotra
No atolotray ho Anao
Raiso (fo sy fanahy)
Fo faly loatra
No entinao midera Anao
Ny sainay tsy ampy hahalala
Ny fatran’ny fitiavanao
Ka raiso ry Tompo malala
Ny fankasitrahana Anao
ry Ray.
2 Tsy hainay hadinoana
‘Lay fara-fitiavanao Ray ô !
Fa maty novonoina
Ny Zanakao hamonjy anay.
1 Masoko manganohano
Nitomany feno rano
Noho ny helok’efa vita
Dia nitony raha nahita
Masonao ry be fiantra
Ry mpamonjy ny mahantra
O! voavotrao ‘lay very
Ry fitiavana mahery.
2 Tanako mangadihady
Nisarangotra nitady
Fanavotana sy vonjy
F’efa resy ka nilonjy
Dia noraisinao ry Tompo
Na dia tanana maloto
O! voavotrao ‘lay very
Ry fitiavana mahery.
3 Foko tena fahavalo
Nefa resy ka nimalo
Raha nifona fa naditra
Hitanao nipitrapitra
Babo tsy afaka ho aiza
‘Zao noraisina ho sakaiza
O! voavotrao ‘lay very
Ry fitiavana mahery.
Isaorana anie Jehovah
Andriamanitra anie
Andriamanitriny Israely
Isaorana Jehovah
Andriamanitra
Izy irery no nanao
fahagagana
Isaorana mandrakizay
Ny Anarany malaza
Ary aoka ny tany rehetra
ho henika
Ny famirapiratry
ny voninahitry
Jehovah Ray tsitoha
Amen !
1 Miloatra avy ao am-po
Ny tonom-bavako
Maneho ny fanajako
Sy ny fankatoavako
Ny Tompoko tsitoha
Nitahy hatrizay
Hatramin’ny taloha
Sy ho mandrakizay.
Isan’andininy :
Mivavaka aho satria
tena mino,
Mino sy Mankato,
Manaja sady tia
an’Andriamanitro ;
Mivavaka aho satria
tena faly,
Faly aho satria tena faly,
Faly sy manantena
ny avotra,
Omena mandrakizay
Doria.
2 Mibahana ato am-poko
Fanahin’i Kristy ;
Mitaiza tsy miato
ka mahafaly erý ;
Manesika ahy hivoatra
Hiasa be kokoa,
Ka ataony tafahoatra
Ny hasoavako.