En direct
Eglise F.J.K.M. Montrouge Paris Fiorenana (SP37)
Au Temple de
l'Eglise Protestante Unie (EPU)
64, rue Maurice Arnoux 92120 Montrouge [lancer GPS]
1 Fanahy Mpanazava,
Ny foko hazavao
Maniry lalandava
Ny Pentekositrao.
Ny aizina ao am-poko,
Fongary re ho lao ;
Ny foko mitoloko,
Maniry indrindra Anao !
2 Fanahy Mpanadio,
Ny foko mba sasao.
Diovy re anio
Ho tena lapanao ;
Ny hevitray misoko
Izay te-handroaka Anao,
Dia ota te-hijoko,
Esory sy fafao !
3 Fanahy Mpampahery
Izay rerakao sy voa,
Ny foko re dia tery
Hiantoraka Aminao.
Izay mandrebireby,
Roahy re izao,
Ny fo mitebiteby,
Hiondana Aminao !
Amen.
1 Ny Pentekosta tonga izao ;
Fanahy ô, ny jironao
Velomy ao anatiko
Hahafantarako ny to.
2 Ampisehoy, Fanahy ô
Fa Jeso no fiainako,
Ka Izy dia làlana
Ho amin’ny fiainana.
3 Dia mba tarihonao ny fo
Tohano ny fanahiko ;
Ampio ny finoako
Hahita ny Mpanavotro.
4 Fa Hianao, Fanahy ô !
Hanova ny fanahiko,
Ka raiso sy diovinao
Ny foko ho fonenanao.
5 Ny hazo-fijaliana,
Anjara hivesarana,
Fa Hianao, ry Heriko,
Mba miaraha amiko.
6 Mba asehoy ho fantatra
Ny soa tsy ho tapitra,
Ny satro-boninahitra
Homen’Andriamanitra.
7 O, ry Fanahy Masina ô !
Ampaherezonao ny fo,
Ka hazavao ny lalako,
Raha avy ny hodiako.
1 Midina, ry Fanahy ô !
Midira ao anaty fo,
Ampio ny mihafy,
Fa Hianao no Mpanome
Ny to sy fahazavana be ;
Ny vavanay sokafy
Izao, hanao
Saotra tsara, hanambara
Ny Mpamonjy,
Fa satria voavonjy.
2 Ka raha re ny teninao,
Dia mba avia, hazavao
Ny hevitry ny teny ;
Mba ambarao aminay
Ny fomban’ny Mpanavotray,
Lazao ny famonjeny,
Izahay, izay
Vory eto, andreheto
Jiron’aina,
Hialan’ny aizin-tsaina !
3 Ny maizina onenanay,
Tsy mety afaka aminay,
Ka tena mahavery,
Raha Hianao tsy tonga izao
Mitondra filazam-baovao
Sy toky mampahery ;
Ovay izahay,
Hamasino ny te-hino
Ampidiro
Eto aminay ny jiro.
4 Mba hafanao re izahay,
Ampio hitiavanay
Indrindra ny Mpamonjy,
Ny rany mba ho avotray,
Ny didiny harahinay,
Hananay ny vonjy,
Jeso, Jeso
No torio sy bitsiho
Ao an-tsainay,
Mba hamelona ny ainay.
Fanahy Mpanazava anay !
Midina eto aminay,
Tarihonao ny sainay ;
Ny alahelonay savao,
Ny toetray havaozinao,
Velomy re ny ainay !
Sento renao
Mba valio, ka tahio
Ny mahantra,
Ry Fanahin’ny Mpiantra !
1 O ! ry Fanahin’ny Ray ao
ambony
Andriamanitra mandrakizay,
Aza avela hisaraka intsony
Ny olo-mino, fa aoka hiray ;
Taomy ho an’i Jesosy
Mpamonjy
Ny mbola maizina ka hazavao,
Hahafantarany tsar any vonjy,
Dia ho faly ny mino Anao.
2 O ! ry Mpiantoka ny
famonjena,
Azo ny antoka tsara izao ;
Tonga ny iraka be fahendrena
Mba hanambara ny sitraponao,
Ka ny lelafo noraisin’ny mino
Sy ny fiteniny tonga vaovao
Dia nahagaga, ka tena
nampino
Olona maro hanaraka Anao.
3 Ry Mpampionona ô ! mba
sitrano
Fa voaratran’ny ota izahay ;
Ka izay ory mba ampiadano,
Ny malahelo falio indray !
O, mba ovaonao tokoa ny
sainay,
Taomy ka ampahareto ny fo ;
Ka raha ory, arovy ny ainay,
Mba tsy hafoinay intsony
ny to !
1 Fanahy, Mpanavao anay,
Simban’ny ota izahay,
Ka amboaronao indray,
Havaozy ny fanahinay !
2 Avia, ry Afo masina,
Ny ratsy aoka ho levona ;
Ry Loharano velona,
Tondrahonao ny efitra.
3 Ny lohataonanao anie
Mba hampaniry soa be
Sy hampamony ho Anao
Izao tany karankaina izao.
4 Ny efitra sy tany lao
Hihoby sy hidera Anao,
Fa olom-potsy no ho ao ;
Mpanompo teo fa afakao.
5 Ry lohataona maminay !
Midina faingana aminay,
Fanahy Mpanavao anay,
Niandry ela izahay.
1 Ny lanitra sokafinao,
Midìna, ry Mahery !
Ampisehoy ny sandrinao,
Ry Tompo manan-kery !
He! manakora izao
Ny fahavalonao,
Ka maro no mandà
Ny afo masina
Narehitrao, ry Jeso.
2 O, ry Mpitia olona,
Mpanjaka voahombo !
Ny teninao dia velona,
Mahery sy mitombo ;
Ampahafantaronao
Izao tontolo izao,
Fa tsy mba foana
Ny ranao masina
Nalatsakao fahiny.
3 Mba ampiraiso hina re
Ny olom-boafidy,
Ka akambano mafy e,
Fa lova sarobidy,
Ny fitiavana
Madio sy marina
No aoka hanavao
Ny fiangonanao,
Handraisanao ny dera.
4 Ny Nosinay, ny tranonay,
Ny vava aman-tsainay,
Dia samy mba havaozinao,
Ry fototry ny ainay !
Ampiononinao
Ny manina Anao !
Avia, ka mamonje,
Avia, mampandrese
Ny olonao mahantra.
1 Ry Fanahin’aina,
Mpanazava saina,
Mpampionom-po !
O, mba akekezo
Ireto miambezo
Hamindranao fo !
Hazavao
Ny olonao,
Mba handraisanay tokoa
Fanomezan-tsoa !
2 Mba ampivavaho,
Hafanao re aho
Hanakalaza Anao !
Hataka sy sento
Asandrato, ento,
Ka valionao !
Anehoy
Sy ampinoy
Ny famindrampo mamonjy
Izay te-ho tra-bonjy !
3 O ! mba amosahy
Fahazavam-panahy
Ny fisainanay,
Ka ny tarafo,
Andreheto afo,
Ny fanahinay,
Ka ombay
Re izahay,
Raha antsoinao hanambara
Ny Filazantsara !
4 O ! ry Andon’aina !
Tany karankaina
Mba vontosinao !
Dia ho vanom-boa,
Hahavoka-tsoa
Re ny volinao !
Indrafo
Sy teny to
No harena antenaina
Hanavao ny aina.
5 O ! mba areheto
Sy ampahareto
Ny finoanay !
Izahay afaho,
Ampahatanjaho
Ny fanahinay !
Tompo ô !
Miraiki-po
Aminao ny olom-bery
Tonga manan-kery.
6 Raha mitoloko,o
Tano re ny foko
Tsy handao Anao,
Ka tsilovy dia,
Tsy haniasia,
Hahatody ao
Aminao
Ny Zanakao
Ao ny lova andrandraina
Fahasambaran’aina.
1 O, ry Fanahy Masina ô !
Mba midira ao anaty fo !
Taomy ny mania
Hody avokoa ;
Eny, mitahia,
Manomeza soa,
Miantrà, ry Tompo ô !
2 O, ry Mazava lehibe,
Hazavao ny teny izay ho re !
Asehoy Jesosy,
Ambarao ny vonjy ;
Iasao ny Nosy
Mba ho voavonjy.
Miantrà, ry Tompo ô !
3 Ry Afom-pitiavana ô !
Mba levoninao ny lolompo,
Ampiraiso dia
Ireto ondry vitsy
Mba hifankatia
Ho iray mihitsy.
Miantrà, ry Tompo ô !
4 Ry Mpampifaly tsara ô !
Mba omeo toky re ny fo,
Mba hanantenanay
Fa ho voavonjy,
Ary handresenay
Noho ny Mpamonjy.
Miantrà, ry Tompo ô !
NY TELO IZAY IRAY
1 Ry Fanahy Mpanazava !
Miandrandra Anao izahay !
Aza ela, fa tongava,
Taomy ny fanahinay,
Mba ho fantatray mazava
Izay lazain’ny teninao ;
Areheto lalandava
Ao am-po ny afonao.
2 Ry Jesosy ! mitenena
Araka ny fombanao,
Aminay izay manantena
Mba handre ny teninao ;
Fo marary sy manahy
Mba tsaboy sy iantrao ;
Ny te-hino fa tsy sahy,
Anehoy ny holatrao !
3 Rainay, Mpanome ny soa,
Mba henoy ny hatakay
Ka ny tananao tsy toha
Iarovinao anay ;
Ny tanora mba tahio,
Ny vaventy hafanao,
Mba ho hitanay anio
Fa atý ny tenanao !