Manonona ny fiadanan’ny Tompo amintsika ry Havana,
Ho fanamafisana ny fepetra ara-pahasalamàna eto amin’ny fiangonana, indro averina amintsika ry havana ireo fepetra ara-pahasalamàna izay efa voalaza ombieny kanefa antitranterina mba ho fifampitsinjovana eo amintsika rehetra manoloana ny lalàna velona misy ary indrindra eo amin’ny ara-pahasalamànan’ny tsirairay.
Ireto avy izany :
-
ny tokony hanaovana masque mandritra ny fotoana iray manontolo,
-
ny fanaovana gel Hydroalcoolique eo am-pidirana ary tsy ferana ny fanaovana izany amin’ny fotoana rehetra ihany koa,
-
ny elanelana tokony hajaina (Distanciation physique) izay 1 metatra, seza roa hoan’ny olona roa na fianakaviana roa samihafa,
-
ny fanajàna ny marika rehetra misy toy ny croix eny amin’ny seza sy eny amin’ny tany,
-
ny tsy hanaovana fivorivoriana etsy sy eroa,
-
misy koa ny hafatra manokana hoan’ireo izay mahatsiaro misy soritr’aretina kely na dia mety tsy mifandray amin’ny Covid aza mba hiangaviana amin’ny manaraka vao tonga.
Manomboka ny Alahady 21/02/2021 kosa dia hisy ny fepetra fanampiny izay ho raisina dia ny fakàna maripànan’ny tsirairay(température) eo am-pidirana ka isaorana antsika indrindra ny fiaraha-miasa mikasika izany.
Entanina isika hanaraka sy hanaja ireo fepetra ireo. Dia matoky ny fiaraha-mientantsika rehetra eo anatrehan’izany ho voninahitry ny Tompontsika.
« Fa ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady... » Ohabolana 24 : 6a
Mametraka ny veloma ombam-pirariantsoa ho antsika rehetra amin’ny anaran’ny Tompo.
- = - = - = - = - = - = - = - = - = - = - = - = - = - = - = - = - = - = - = - = - = - = - = - =
Chers frères et soeurs en Christ,
A titre de rappel, lors des cultes, nous devons appliquer les gestes barrières que nous adoptons déjà par ailleurs dans d'autres endroits.
-
Se laver les mains aussi souvent que possible, avec du savon ou du gel hydroalcoolique,
-
Tousser et éternuer dans son coude,
-
Utiliser un mouchoir à usage unique,
-
Porter un masque jetable ou lavable,
-
Rester à distance des autres et limiter les contacts,
-
Aérer chaque pièce de vie.
Nous comptons sur votre compréhension, pour la santé de tous et pour la gloire de notre Seigneur.